Omeo Fanabeazana vanona hananganana Firenena mandroso

Nampidirin'i tafatafa | 13 Nov, 2009

Tsetsatsetsa tsy aritra mahakasika ny Fanabeazana @ ankapobeny, ny Fanabeazana ny olona rehetra tsy an-kanavaka no marimarina kokoa angaha???

Mahavariana ny firoborobon'ny onjam-peo sy ny haino aman-jery eto amintsika @ zao fotoana, àry raha izay no entina handrefesana ny fandrosoana, dia angamba tsy azo lazaina ho faran'ny lisitra kosa isika. Raha mihaino, na mijery ny fandaharana ny tena dia indraindray manontany tena ihany ny @ mety ho fiantefan'izany fandaharana izany @ mpijery sy ny mpihaino. Indraindray tokoa, mba tsy hilazana hoe matetika, dia lasa ihany ny eritreritra hoe inona re no tian'ny mpikarakara ny fandaharana hiaviana @ ty fandaharana alefany ity ??? Mampianatra sy mampahafanta-javatra ve, sa te hampiseho fotsiny ny zavamisy any ivelany? sa ve te hanova sy hanapariaka kolotsaina vaovao ho an'ny Malagasy? Mandalo sivana ve izy ireny?

Fa tsy ny fandaharana alefa ihany no tiana ho resahina, fa indrindra koa ireo mpanolotra. Asa re, inona loatra no nentina nisafidianana azy ireny? Tarehy amam-bika fotsiny ve? Satria zary toa adino fa voasokajy ho MPANABE ihany koa izy ireny. Dia miteny ka miteny, fa raha ny teny ampiasaina dia sady tsy teny gasy no tsy teny frantsay. H@ mpanao gazety avy - na an-tsoratra, na @ haino aman-jery, no mandiso na koa tsorina hoe tsy mandrefy na mihevitra izay teny ampiasainy. Ô rey olona a, hanefy olom-banona ange ny andraikatrareo e! Mitombo isa isan'andro ny gazety mpivoaka isan'andro, saingy firy @ reny moa no mahafehy ny teny gasy sy ny fitsipiky ny fanaovan-gazety, na koa ny fanabeazana hampitaina @ alalan'ny gazety?

 Asa raha mba misy politika sy fitsipika mazava mahakasika ny Fanabeazana ny olom-pirenena @ alalan'ny haino aman-jery sy ny gazety eto amintsika na tsia, fa raha ny Fanabeazana an-tsekoly aloha dia fantatro fa misy. Raha tsy mbola manana an'izany isika gasy, dia amboary re ry Tomponandraikitra e, atomboy fa raha izao zava-mitranga ankehitriny izao no mitohy, dia asa re, taranaka gasy hanao ahoana no hananantsika. Raha toa kosa ka efa ananantsika ny politikam-banabeazana dia avoahy ho fanta-poko fanta-pirenena re e, àry aza misalasala mampiasa sy mampihatra azy!

Zaro @ làlana tokony halehany ny gasy e, sao adinina amintsika zany indray andro any! Aza hitako! Loza mihantona ...

Tafatafa

Nampidirin'i tafatafa | 12 Nov, 2009

Miarahaba ny rehetra, 

Anisan'ny mpametraka lahatsoratra amina blaogy i Tafatafa, àry mpanome hevitra na koa soso-kevitra entina hatsaràna zavatra ihany koa. Ny tanjony amin'izany dia ny hizara hevitra, hidinika, hifanakalo, na koa hamaly lahatsoratra ihany koa. Izay no nahatonga ny safidin'ny solonanarana ho "Tafatafa". Sokajy ankapobeny ny hevitra hovoizina, àry hahasahana lohahevitra isankarazany.

H@ zay dia blaogy @ teny frantsay hatrany no fahitako, namana iray no nilaza tamiko fa misy ity serasera.org ity, izay nahitako blaogy @ fiteny malagasy. Nahafaly ahy tokoa izany, àry nahaliana ahy ny namaky ny lahatsoratra isankarazany tato, ka dia tapa-kevitra ny hanokatra blaogy ihany koa aho, hitafatafa.

Mankafy ny mahagasy tokoa, àry mirehareha ny @ zany. Midera an'i HERY aho araka izany, nanan-kevitra hanokatra ity serasera ity, àry miarahaba azy nahatratra ny faha 10 taona nisian'ny serasera.org.

Manantena ny hiserasera maharitra aminareo tsirairay re e,

Tafatafa

Tonga soa Tafatafa!

Nampidirin'i tafatafa | 12 Nov, 2009
Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.